FOARA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY FAMBOLENA

Nisokatra omaly, nahavory olona marobe sahady


  • Zoma 05 Septambra 2025

Nisokatra tamim-pomba ofisialy omaly Alakamisy 04 Septambra

eny amin'ny efitrano fandraisana fivoriana eny Ivato, haharitra 4 andro ny Foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny jono andiany fahafito arahin'ny Festival iraisam-pirenena momba ny sakafo karakarain'ny Madavision. Mahatratra 300 isa ireo trano eva mandray anjara amin'izany, raha miisa 250 isa kosa ireo nisoratra anarana. Tanjon'ny mpikarakara ny hampifandray sy hampifanatona ireo mpamokatra eny ifotony sy ireo mpividy hisorohana ny elanelana misy.Toraka izany koa ny mba hahafahana mamatsy sakafo vaovao lalandava ny mpanjifa. Tonga nanokatra ny lanonana ny avy eo anivon'ny Ministeran'ny fambolena izay nanantitrantitra ny mahazava-dehibe ny hetsika tahaka izao hanatsarana ny toe-karem-pirenena. Nahafa-po sahady ny hamaroan'ny olona tonga nitsidika omaly andro avolihany. Tsiahivina fa hisy ny fampisehoana maimaim-poana hataon'ny Samoela hampiavaka ity foara ity rahampitso Sabotsy manomboka amin'ny 06 ora hariva. Misy koa ny fiara mitatitra maimaim-poana ny rehetra izay nanomboka omaly niainga teny Anosivavaka. 8.000 Ar kosa ny vidim-pidirana ho an'ny rehetra. Tsy misy ahiana ny parking sy ny fitandroana ny fandriampahalemana hoy ny tompon'andraikitra.
Pati
Légende : Nandritra ny fanokafana omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT