Foara iraisam-pirenena momba ny fambolena

Ho avy ny tantsaha avy amin’ny faritra miisa 23”


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Ny 21 hatramin’ny 24 septambra izao no hotanterahana eny amin’ny Hazovato Forello expo Tanjombato ny Foara

iraisampirenena momba ny fambolena sy fiompiana ary jono na FIA andiany faha 5. Ambohim-pihaonan’ireo izay misehatra ao anatin’ireo sehatra voatonona teo ireo ity hetsika ity, hoy ny tomponandraikitra voalohany, Harilala Ramanantsoa, nanomana teny an-toerana omaly. Hitondra zava-baovao, hoy izy, izahay mpikarakara mba hanomezana vahaolana sy ahazoan’ny mpisehatra ny vaovao farany rehetra ary mety ilainy ao anatin’izany fandraharahana izany. Hisy ny toerana manokana ahitana ireo fanampiana ara-pitaovana, fiofanana, ara-bola entin’ireny tetikasa maro isan-karazany ireny. Eo koa ny mety tohana misy azo sitrahan’ny be sy ny maro. Hisy ny fampirantiana biby velona. 700m2 no toerana hanaovana izany. Ho avy ny tantsaha mpamokatra avy amin’ny faritra miisa 23 hampiranty ny vokatry ny tany. Sambany amin’ity ny fampahafantarana ny “Guichet unique” na toerana natokana ho an’ny tantsaha ary ahitana tolotra miisa 10. Eo ny fananan-tany, fampiofanana, lalam-barotra, fahazoana masom-boly. Ho hita amina ivon-toerana iray avokoa izay. Zava-dehibe ho an’ireo mpisehatra izany. Hisy ny velan-kevitra ahenoana fampiofanana, fijoroana vavolombelona ho an’ireo efa sangany manondrana any ivelany hoe inona daholo no dingana nolalovany amin’izany toerana izany. Misy koa tohana, mety manana tany ianao, ohatra, tsy hainao ny azo ampiasana azy, misy rafitra ahafahana mampiasa vola ihany koa ao anatin’izany. Mihoatra ny 400 isa ny tranoheva ho hita ety an-toerana amin’io vidim-pidirana 5000 Ariary io. Miezaka izahay hanome sehatra ho an’ireo tantsaha na ireo mbola misalasala hiditra ao anatin’ilay sehatra. Ny zava-baovao voalohany dia ny fahitana anaty ivontoerana iray ny tolotra misy anatin’ireo tetikasa. Ho avy hamaly ny fanontaniantsika ny minisitera voakasika, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija Légende: Harilala Ramanantsoa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT