Sosialy

Foara iraisam-pirenena momba ny fambolena Fahombiazana tanteraka, tsy tara ny Airtel


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Nifarana omaly alahady 15 septambra rehefa naharitra efatra andro ilay foara iraisam-pirenena momba ny fambolena andiany fahatelo notanterahina teny amin’ny Forello Expo Tanjombato.

 

 

 

 

Nahatratra an’aliny ireo olona tonga nitsidika  izay saika liana tamin’ireo karazam-bokatra misy sy vokarina eto Madagasikara avokoa ny ankamaroany. Tsy diso anjara ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar izay nanana tranoheva efatra teny an-toerana mihitsy. Anisan’ny nanampian’izy ireo manokana ireo tantsaha mpamokatra ny fanamaivanana ny serasera ara-bola mety tanterahin’izy ireo amin’ny alalan’ny Airtel money. Tao koa ny fampahafantarana ilay tolotra Airtel m’lay izay mety ho an’ny rehetra sady takatry ny fahefa-mividin’ny maro. Nahazo vahana aza  ny fitohanana teto an-drenivohitra tamin’iny herinandro nivalona iny noho ny asa fanamboaran-dalana maro isan-karazany dia tsy nahasakana ny mpanjifa  tsy hitsidika ny FIA notanterahina teny Tanjombato.

 

 

Pati

 

 

 

 



 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT