Sosialy

FLM Ambohijatovo Vangaindrano Nampidirina CNaPS avokoa ireo katekista


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy manomboka izao ireo katekista eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ao Vangaindrano anatin’ny Synodam-paritany Atsinanana.

 

 

 

 

 Nandritra ny fampianarana nentin’ny CNaPS Farafangana tao amin’ny FLM Ambohijatovo Fokontany Ambohijatovo Vangaindrano no nanaovana izany. Nofanina manokana mikasika ireo karazana fanampiana ara-tsosialy omen’ny Tahirim-pirenena izy ireo. Voalohany ny fanampiana ny fianakaviana izay ahitana ny volan’ny bevohoka, ny volan-jaza izay lasa 6 000Ar isan-jaza isam-bolana manomboka vao teraka ka hatramin’ny faha-21 taonan’ilay ankizy, ny fanonerana ny vola lany teo am-piterahana, ary ny antsasa-karama ho an’ny vehivavy miasa. Faharoa dia ny solo-takaitra sy ireo saram-pitsaboan araha sanatria tra-doza na marary vokatryny asa ary fahatelo ny fisotron-dronono hoa ‘ny zokiolona rahatrizay tonga ny fahanterana. Ireo tompon’andraikitry ny FLM ao anatin’ny synoda atsinanana rehetra dia samy resy lahatra fa zava-dehibe ny fisitrahana ny zo ara-tsosialy. Ka ankoatry ny fiofanana ara-teorika dia nampiharina avy hatrany ny zavatra azo ka noraisina mpikambana CNaPS teo noho eo ireo katekista arivo mahery.

 

 

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT