Sosialy

Fizarana zavatra avy amin’ny fanjakana Tsy handray anjara ny Depiote TIM


  • Sabotsy 28 Martsa 2020

Nanapa-kevitra ny tsy hiditra amin'izay mety ho fizarana zavatra na vola avy amin'ny mpanatanteraka ireo solombavam-bahoaka TIM.

 

 

Nisy moa ny fanambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny alakamisy teo fa ny depiote no mitantana ny “operation Tsinjo” ary tsy ankanavaka io depiote miara-dia amin’ny fitondrana io na tsia. Ny antony voalohany dia efa ireo Depiote miara-dia amin'ny fitondrana no nandray an-tanana avy hatrany ny fikarakarana izany, hoy depiote Hanitra Razafimanantsoa. Hita anefa fa misy endrika fanavakavana isan-karazany ao anatin'ny fitsirihana izay tokony hisitraka ireny fanampiana ireny ka mety hitarika fisaraham-bazana. Tsy te ho tompon’andraikitra amin'izany ireo solombavambahoaka avy amin'ny Tiako I Madagasikara ka nanapa-kevitra nisitaka avy hatrany, hoy ny fanambarana. Faharoa dia mahatsapa fifanitsahan'andraikitra ny Depiote TIM satria asan'ny mpanatanteraka manontolo ny momba ireny fanampiana ireny. Manara-maso ny fomba anatanterahana azy no anjara asan'ny solombavam-bahoaka. Ao anatin'izany ohatra ny momba ny vola sy ny paipaika rehetra nahafahana nanatanteraka azy ireny. Ankoatr'izay dia tokony afaka mijoro mpanelanelana eo amin'ny vahoaka sy ny mpanatanteraka foana ny solombavam-bahoaka. Tsapanay Depiote TIM fa sarotra ny hiantsoroka izany adidy izany raha vao mitsabaka amin'ny andraikitrin'ny mpanantanteraka izahay. Hamafisina arak'izany fa tsy tompon’andraikitra amin'izay fizarana zavatra avy amin'ny fitondrana ireo solombavam-bahoaka TIM, hoy izy ireo.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT