Sosialy

Fizarana vola fisotroan-dronono Nikorontana noho ny fanavaozana karatra


  • Talata 12 Oktobra 2021

Velon-taraina ireo beantitra mpisitraka fisotroan-dronona teto Antananarivo sy ny manodidina omaly noho ny filaharam-be tsy nifankahitana.

 Nahitana an’izany teny Avaradoha, Analamahitsy, Ivato, Ankadifotsy, Isotry,… Ho an’ny teto amin’ny Tia Tanindrazana dia antso maro no voaray nampitan’ireo Raiamandreny mpisotro ronono. “Mijaly izahay, hatramin’ny 4ora maraina no tonga hatramin’izao tsy nahazo,… Misy anefa tena zara raha nanana saran-dàlana namonjena ny toerana, ary efa nanantena hahazo, kanefa hatramin’izao tsy mahita mangirana, hoy ny renim-pianankaviana iray efa tamin’ny 4ora tolakandro izy tsy mbola afaka tetsy Avaradoha. Olona iray 20 minitra ny fandraisana ny olona iray raha kely indrindra, tena mijaly izahay,…” hoy ireo Raiamandreny. Fanavaozana ny karatra moa no voalaza fa antony. “Aoriana, tsy hisy intsony ny filaharana, fa hisy ny fizarana karatra elektronika. Tafiditra ao anatin’ny “digitalisation” ahafahana maka sy manana isa marina ho an’ireo mpisitraka fisotroan-dronono. Hilatsaka avy hatrany any amin’ny karatra ka anjaran’ny mpisitraka ny fisotroan-dronono ny maka izany any amin’ny banky na paositra”, hoy ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nitondraza fanazavana omaly. Nanomboka io omaly io ka hatramin’ny 19 oktobra moa ny fisitrahana fisotroan-dronono. Mbola hitohy hatramin’ny 23 oktobra kosa ny fanoloana ny karatra, hoy ny tompon’andraikitra nanazava tamin’ny fahitalavitra. Nambbara fa ahafahana manatsara ny kalitao amin’ny fandraisana sy fikarakarana ireo mpisitraka fisotroan-dronono. Mba tsy hisian’ny filaharam-be mahazatra. Niaiky ny tompon’andraikitra fa nisy tsy tomombana teo amin’ny fandaminana omaly, ka dia niala tsiny tamin’ireo Raiamandreny, fa hiezaka izahay hanatsara. Nomena toromarika mba hifandraika amin’ny fandaharam-potoana nomena ny fahatongavan’ireo mpisitraka fisotroan-dronono.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT