Sosialy

Fizarana vola 100.000 Ar Niely ny tsaho, feno olona nilahatra teny amin’ny LMA


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Nahavariana ny zava-nitranga teny amin’ny lisea maoderna Ampefiloha ny sabotsy 02 mey teo.

 

 

Tsy naharitra ora iray akory mantsy dia feno olona tonga nilahatra teny an-toerana, niandrandra ilay fanampiana 100.000 Ar fanomezana avy amin’ny Filoham-pirenena ho an’ireo tokantrano voasokajy ho tena sahirana. Rehefa nanontaniana ny mikasika ny anton’ny nilaharany ireo vahoaka marobe tonga teny an-toerana dia samy nilaza fa nisy feo nandeha teny amin’ny Fokontany nisy azy ireo toy ny Fokontany Andohatapenaka I sy II ary III izay samy nilaza fa eny amin’ny LMA Ampefiloha no hizarana ilay lela-vola 100.000 Ar avy any amin’ny filoha. Nisy tamin’izy ireo ihany koa mantsy no mbola tsy nahazo ilay fanampiana toy ny vatsy tsinjo hono ka naleony nihazakazaka teny an-toerana. Tsaho avokoa anefa no nahatonga izany. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany mantsy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ireo Fokontany ireo dia nisy nilaza fa sady tsy nametraka peta-drindrina ofisialy mikasika ny fisian’ny fanampiana izy ireo no tsy nanangona ny anaran’ny mponina ihany koa na nampanantena zavatra. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia ny FID sy ny PAM no miandraikitra ny fakana ny anaran’ireo olona sahirana tokony hahazo ilay 100.000 Ar eny amin’ny Fokontany ary tsy hatolotra tanana izany fa raisina amin’ny alalan’ny western union na mahazo taratasy avy amin’ny tompon’andraikitra miaraka amin’ny karapanondro izay vao manatona ny banky BOA.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT