Sosialy

Fizarana vatsy tsinjo Ireo traboina manana karnem-pokontany no hahazo


  • Alatsinainy 31 Janoary 2022

Hanomboka anio alatsinainy ny fizarana ilay vary tsinjo fanomezana avy amin’ny Fitondram-panjakana ho an’ireo traboina.

 Na izany aza ireo manana karnem-pokontany biometrika sy ireo misora-pokontany ara-dalana ao amin’ny faritra misy ny trano fonenany ihany no afaka hisitraka izany. Tanjona ny hanamorana ny fizarana hoy hatrany ny vaovao. Ao amin’ny Fokontany Andohatapenaka II sy Ankorondrano moa no hisantarana izany anio raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika omaly alahady. Mety eny anivon’ny Fokontany nefa mety eny amin’ny toerana misy sy handraisana ireo traboina no hitsinjarana izany raha araka ny fantatra. Tsiahivina fa ahitana vary milanja 25 kg sy legioma 3 kg, ary menaka iraay litatra ity fanampiana vary tsinjo ity. Toraka izany koa ny savony, sardine, CVO hiarovana amin’ny aretina Covid 19. Omaly no natao ny fanamboarana ireo karazana fanampiana ireo ary natao tao anaty sachet plastika tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT