FIZARANA VARY TENY ANDOHATAPENAKA

Niteraka fitohanana goavana teny amin’ny digy


  • Talata 24 Desambra 2024

Niteraka fitohanana goavana teny amin’ny digy Andohatapenaka omaly Alatsinainy 23 Desambra

tontolo andro ilay fizaram-bary avy amin’ny Fitondram-panjakana. Vahoaka tsy tokony sy forohana no tazana teny amin’iny faritra iny ka nisy mihitsy ireo fantatra fa natory teny an-toerana niambina laharana nanomboka afak’omaly alina. Vehivavy ny 80%-n’izy ireo ka misy ireo mbola mampinono kely raha tsy lazaina intsony ireo zokiolona efa manjoko. Saika feno vahoaka nilahatra teny amoron’arabe noho izany. Ny fiara koa anefa teo an-daniny tsy nitsahatra ny nifamoivoy, antony niteraka fitohanana be teny amin’iny faritra iny. Ny andro rahateo fety, fotoana tena mahabetsaka ireo olona sy fiara mivezivezy eto an-drenivohitra. Nahalany ora iray ny fiara iray vokatr’izany vao tafavoaka an’Andohatapenaka. Ho an’ireo hiazo an’Ambohibao dia tsy afaka nanitsy avy hatrany toy ny mahazatra raha nanala olona teo amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse Maki fa tsy maintsy niodina teny amin’ny rond-point miazo ny lalam-baovao vao miverina mamonjy ny digy indray.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo natory niandry laharana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT