Naneho ny alahelony Rtoa Julie Filohan’ny Fikambanana ara-kolontsaina Soa Kanto Malagasy (SKM), araka ny horonan-tsary nataony. Aty Amboasary Atsimo izay misy kaominina miisa 18 aho, ary tsy misy hanavahana fa tratry ny kere avokoa.
Miaraka amin’ny fikambanana tarihiko izay ampian’ny mpilatsaka an-tsitrapo, fikambanana, namana,… dia nizara sakafo kely izay mba vitanay izahay tamin’ny alalan’ny vola voaangona. Nisy anefa ny olona tonga nijery anay sy tsy faly amin’izany. Nanandrana namoaka sary sy vaovao tamin’ny facebook aho, tamin’ny fizarana bisokoy nataonay, saingy tonga dia nobloken’ny facebook satria misy olona manao “signal” ny sary sy ny video, ary tsy indray mandeha fa efa in-dimy no tratran’izany. Tsy nisokatra nandritra roa andro, telo andro, efatra andro, dimy andro,… ary amin’izao dia mandritra ny 30 andro ny kaonty Facebook. Misy olona tsy faly amin’ny sary avokanay kanefa tsy mamoaka afatsy ny zava-misy izahay, tsy misy sary amboarina,... Nahoana no manelingelina azy ireo ny sary avoakanay? hoy izy. Tsy zava-baovao ny kere, ary efa tsinjo satria 9 volana tsy nisy orana. Ny rehetra tsy an-kanavaka dia kere satria ny olona dia miaina amin’ny vokatra, betsaka ny maty. Manao fanisana hanao inona fa ny rehetra dia efa voa. Misy ny rafitra mizara sakafo aty, saingy fanisana aloha no mandeha, ka inona no natao tao anatin’ny 9 volana kanefa ny rehetra no efa kere? Tsy fahavalonareo aho, fa ny kere no fahavalo, betsaka ny maty,… mizara sakafo dia henjehana sy blokena ka aza mba mba manao an’izany, ary tongava mijery, hoy ny ankapobeny votoatin’ny fanambaran’ity Filohan’ny SKM ity, izay tamin’ny fiteny Frantsay no nanaovany azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.