Natomboka tamin`ny fomba ofisialy omaly ny fizarana Kaly Tsinjo eto Antananarivo.
Olona miisa 16 600 no hisitraka izany mandritra ny telo volana. Hisy izany avokoa ireo boriboritany eniana eto Antananarivo Renivohitra. Distrika 11 manerana ny nosy no tokony hisitraka ny Kaly Tsinjo, izay sakafo masaka zaraina isan-andro mandritra ny telo volana. Hiova isaky ny herinandro kosa ny olona hahazo izany ary ireo tomponandraikitra eny amin`ny fokontany no hisahana ireo olona tokony hisitraka izany. Misy kosa depiote IRD iray mahatsiaro afa-baraka manoloana ity Kaly Tsinjo ity. “Ilay Kaly Tsinjo kosa dia sakafo manala-baraka. Hen`omby sy tsiasisa ve no laoka aroso amin`ny vahoaka. Izahay aza fikambanana kely tsotsotra mahavita sakafo tsara kokoa. Bandy tsy manao kiraro no mandaotra vary. Tokony hividianana « gant » . Raha tsiahivina dia tetibola avy amin`ny ministeran` ny mponina no hanatanterahina izany Kaly Tsinjo izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.