Sosialy

Fizarana fisotroan-dronono Amin` ny 16 jolay no andro voalohany


  • Alakamisy 09 Jolay 2020

Nivoaka ny tetiandro fizarana ny fisotroan-dronono ho an` ireo zokiolona eny anivon` ny tahirimbolam-panjakana ho an` ity volana jolay ity.

 Ny alakamisy 16 jolay ho avy izao no andro voalohany amin’ny fizarana ny fisotroan-dronono ary izany dia manaraka ny fitsinjarana araka ny laharan'ny karatra maha mpisotro ronono. Noho ny fiparitahan’ny valanaretina “Coronavirus” dia miangavy hanaraka ny fitsinjarana izay napetraka ny tahirimbolam-panjakana. Raha misy ny tsy fahafahana amin’ny fotoana tokony handraisana izany dia misokatra foana ny Tahirimbolam-panjakana. Afaka raisina foana ny "Pension" aorin’ireo efatra andro voalohany ireo satria maharitra telo volana ny fahafahana mandoa ny "Pension" iray. Amin'ny 6ora30 hatramin'ny 12 ora no misokatra ny "caisse" ho an'ny faritra Analamanga mandritra ireo efatra andro voalohany ireo. Ho an` ny rehetra, mila hajaina avokoa ireo fepetra ka tokony hanao sarom-bava izay mifanerasera amin` io fotoana io. Mila hajaina ny elanelana iray metatra. Hisy ny fitiliana mari-pana sy ny fanasana tanana. Andrasana kosa ny fandaminana amin` ny fitaterana satria raha tsiahivina dia mbola ao anatin` ny fihibohana tanteraka ny Faritra Analamanga ary tsy misy fiara fitateram-bahoaka mahazo miasa raha amin` io tetiandro voafaritra io.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT