Sosialy

Fizarana fanampiana Vahaolana miteraka olana


  • Alatsinainy 21 Febroary 2022

Nanao taratasy miantefa amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mangataka amin’ny hampitomboana ny fanampiana ho an’ny vahoaka traboina ny ben’ny tanàna miisa 10 any amin’ny Departemantan’Ampasimanjeva

 Faraony, ao anatin’ny Distrikan’i Manakara. Saika ny 95% amin’ny vahoaka no traboina, kanefa ny fanampiana azon’ny kaominina tsirairay 12 hatramin’ny 14gony, raha ny voalazan’ny taratasin’izy ireo. Milaza izy ireo fa teren’ny vahoaka hizara izany, kanefa rehefa natao ny kajy dia vary 1 madco sy menaka 1 sotro ny anjaran’ny tsirairay, hoy ireo ben’ny tanàna izay milaza fa tsy te hizara izany. Tsy mety mizara an’io izahay satria manimba ny Politikan’ny Filoha, ka mangataka izahay Atoa Filoha ny hanomezana fanampiana ny vahoaka aty amin’ny Departemantan’Ampasimanjeva, hoy ny fanambarana narahin’ny fitombokasem-panjakana miloko mena sy ny sonian’ireo ben’ny tanàna. Miseholany izany ankehitriny ny olana amin’ny resaka fanampiana. Efa nozarina ny olona fa tokony hahazo ny anjarany, saingy mahatsapa fa rehefa ny Filoha no tonga mivantana mizara dia betsaka kokoa : amin’ny gony ny vary, amin’ny litatra ny menaka, sardina,…. fa rehefa any amin’ny tany lavitr’Andriana dia hafatra amin’ny « madco » sy « sotro » na « kapsily »,… Hampanantsoina any amin’ny Polisy toy ny natao ilay namoaka vaovao tao Ikongo ihany koa izany ireto ben’ny tanàna ireto ? Rehefa tsy misy Filoha na olona ambony tonga ifotony izany dia tsizarizary ny fanampiana? Toa zary lasa mampiady ny vahoaka sy ny manam-pahefana eny ifotony ilay zava-misy sy ny fomba fiasa. Andrasana hisy sakoroka tahaka ilay tao Nosy Varika nisiana famakiana mangazay nitehirizina vary tsinjo ve vao ho taitra? Endriky ny fahantram-bahoaka izao ka zary miantehitra sy miantsampy amin’ny fanampiana ny ankamaroany. Tsy tokony hirehareha amin’ny fizarana zavatra sy fanjonoana vahoaka ihany koa anefa ny mpitondra. Lasa vahaolana miteeraka olana aza ilay izy ankehitriny. Tsy voninahitra io, fa fahafaham-baraka satria mpitondra mahay tsy tokony ho fadiranovana miantehitra amin’ny fanampiana sy kitolotolotra ny vahoakany, fa afaka mamokatra sy mivelona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT