Sosialy

Fizarana fanampiana Tahaka ny kermesy ny teny Analakely


  • Alarobia 01 Aprily 2020

Mbola niverina indray ny fitangoronan’olombelona maro be tetsy amin’ny lapan’ny tanana Analakely omaly,

 

 

 

 resaka fizarana fanampiana ho an’ireo mpitatitra no antony. Asa na diso nandaitra tamin’izy ireo loatra ny tenin’ilay minisitra iray izay, nialohan’ny nahatafidiran’ity Coronavirus ity teto, hoe tsy mafy noho ny Pesta sy kolera io sa tena antony fahasahiranana tokoa ve? Ny any Toamasina mivory foana ireo mpitondra tuk tuk sy cyclo posy. Ny tao Mahajanga koa aza moa dia heno ho nisy toy izany.Tsy misy fanajana ny elanelana iray metatra izany mihitsy .Tokony ho fantatra anefa fa Otrikaretina miparitaka malaky sy ao anaty fotoana tsy voafaritra ny COVID19 amin’ny maha viriosy azy ary izay no tena ahiana hitera-doza raha tsy hitan’ny fitondram-panjakana haingana ny hifehezana io resaka fivorivoriana io. Indrindra moa fa aminn’izao fipoiran’ireo tratr’ilay otrikaretina vokatry ny fifampikasohana izao. Raha sanatria moa any anatin’ireny mpivorivory ireny ka nisy izay antsoina hoe “personne contacte” sendra nifampikasoka na dia olona 1 monja tao anaty fokonolona ao izay dia ahoana? Olona 1 mety hamindra amina olona 10. Olona 10 amina 100 dia toy izany hatrany izy io raha sanatria. Izay no anton’ilay hijanonana any an-trano. Ny kolera sy pesta izay nateraky ny Bakteria sy Mikraoba mety mbola latsaka 50% amin’ny fipariahan’ny viriosy raha betsaka ny fipariahany fa ny viriosy kosa dia tena malaky dia malaky, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Raha hiverenana ny tranga tetsy Analakely omaly dia mbola zava-doza noho ny hita talohan’io ny havorian’ireo mponina haka izato lazaina fa « vatsin’aina ». Mampametra-panontaniana hoe tena hanome vatsin’aina tokoa ve no tanjona sa ny mifanohitra amin’izany sanatria. Tena fanahy iniana atao mihitsy ve ilay tandrevaka sa tena efa tsy fahaiza-mifehy ny toe-draharaha fa raha sanatria nisy 1 monja tokoa aloha no mitondra ilay valan’aretina tamin’ireo mila fanampiana tonga marobe teny an-toerana omaly dia heverina kosa angamba ny fiadidiana an’Antananarivo na ny CUA mihitsy no tsy afa-miala voalohany tamin’ny fanapariahana ity areti-mandoza ity.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT