Sosialy

Fizarana fanampiana Ny zokiolona indray no nampiandrasana fotoana maharitra


  • Alarobia 01 Aprily 2020

Tsy mety miala eny amin’ny biraom-pokontany ny ankamaroan’ireo zokiolona eto amintsika izay fantatra fa nataon’ny Filoham-pirenena laharam-pahamehana

 

 

 

amin’ny fizarana fanampiana ho an’ireo marefo ao anatin’izao fotoanan’ny fihibohana izao. Taorian’ny teny Sabotsy Namehana dia nahitana izany indray omaly ny tetsy Ivandry. Raha araka ny siosion-dresaka nandeha dia lasa zokiolona 35 isa isaky ny Fokontany ihany sisa no mahazo izany fanampiana izany. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy misy fanavahana ny fizarana ny fanampiana ary efa nambaran’ny filoham-pirenena fa efa fantatra avokoa ireo zokiolona rehetra ary efa mipetrapetraka ny fomba hizarana ny fanampiana. Nohamafisiny ihany koa fa aterina isam-baravarana amin’izay izany hisorohana ny filaharam-be, fandaminana iarahana amin’ny sefom-pokontany tsirairay avy. Ilay fandaminana asa mihitsy araka izany no tsy mety ankoatra ireo mpanararaotra. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra mba hanara-maso ireny fanampiana ho an’ny marefo ireny fa tena misedra olana izy ireo.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT