Sosialy

Fizarana fanampiana ‘’Mizaka ny tsy eran’ny ainy ireo sefo fokontany”


  • Alarobia 06 Mey 2020

Na fahazoam-baovao na fampitam-baovao avy amin’ny foibe dia hita ho miteraka savorovoro daholo ankehitriny, raha ny fahitan’ireo mpitantana fokontany azy, indrindra, mahakasika ireo fanampiana.

 

 

 Ny vaovao avy amin’ny filoham-pirenena, ohatra, izao, hoy ny filoham-pokontany etsy Ampefiloha Ambodirano, Mbolatiana Eugene Razafimahatratra, dia maro amin’ireo mponina no mihinana azy am-bolony. Miezaka manao izay azony atao ny fokontany mba hisorohana ny mety ho fipoahana ara-tsosialy amin’ny tsy fifankahazoan-dresaka, hoy izy. Nomarihiny fa tsy mandray tombontsoa amin’ny resaka fanampiana ny fokontany na an-kolaka io na mivantana. Mandamina sy mandrindra ny fitsinjarana ireny fanampiana ireny ihany no anjara asan’ny fokontany, hoy izy, fa efa misy ny tompon'andraikitra mpizara. Ny olana dia isaky ny mandeha ny fizarana dia misy ampahany amin’ireo mponina amina toerana na “secteur” ihany no mahazo dia efa mivadika toeran-kafa ny mpizara dia avy eo ireny tsy nahazo ireny mitambatambatra no maneno. Tsy mipetraka mazava tsara, hoy ny fanazavana, hatramin’izao ilay fizarana dia izahay sefo fokontany no lasa mizaka ny tsy eran’ny ainy.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT