Hatramin’izao dia mbola mamboly fahasorenana ho an’ireo mila azy hatrany ny fomba fizarana ireo fanampiana azon’ny fanjakana malagasy natao ho tsinjaraina eny amin’ny fokontany tsirairay avy eny.
Hita ho mila fanaraha-maso hentitra mba tsy hilazana mihitsy hoe “audit” vao ho foana ity toe-tsaina tia kely anaty fahasahiranana ity. Fitarainana saika heno amin’ireo mahatsiaro tena ho sahirana kanefa voahilika tsy ahita ny anjarany ao anatin’izany amin’ny ankapobeny ny hoe “efa nametraka kara-panondro” na koa hoe “ nilahatra adin’ny” na “nandany tontolo andro” sy ny hafa rehetra saingy ny vokany avy eo dia ny hoe nasaina nody satria hoe ianao izao ve dia sahirana? Lasa fitsarana ivelany, raha ny fitantaran’ireo lasibatra araka izany, no hamerana ny fahazoana na tsia ireo fanampiana. Famonjena no notadiavin’ireo nilahatra kanefa dia fahasorenana avy eo no entiny mody raha tsy sanatria aretina aza.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.