Tanteraka amin'ny mponina eny Andavamamba ilay fitenenana hoe : niandry vasoka no sady nanantena tsy misy.
Telo herinandro izao no nahoraka ny hoe hahazo fanampiana ireo marefo sy sahirana saingy tsy mbola nahazo na dia vary iray kapoaka monja aza, izahay hoy ireo mponina eny Andavamamba.Ny alatsinainy lasa teo , raha ny filazan'izy ireo no efa nisy fandraisana ny anarana ka nambara hoe raisina ny talata ny fanampiana.Tsy nisy anefa dia nolazaina hoe amin'ny alarobia.Tonga ny omaly, somebiseby vao maraina ny iray tanàna ka namonjy teny amin'ny LMA Ampefiloha toerana voatondro fa hizarana ny Vatsy Tsinjo; inona akory ny teo fa mbola fandraisana anarana sy ny mombamomba ny tena no hita teny, tsy nisy fizarana vary na menaka.Nody maina indray aloha.Efa in-telo izahay no nisoratra anarana fa tsy hita izay fanampiana hatramin'izao hoy ireto mponin'Andavamamba ireto.Manao antso avo amin'ny filoham-pirenena izy ireo mba hijery akaiky ny raharaha satria manahy ihany hoe sao ry zareo mandany andro misoratra anarana fa olona hafa no mahazo ny fanampiana na sanatria misy manodina tsotra izao ny Vatsy Tsinjo anjaran'izy ireo.Tena mijaly izahay ety ambany tanàna, tsy afaka mivarotra hoy izy ireo ary efa manomboka tsy manana hanin-kohanina koa miantso ny filoha mba hitondra ny vahaolana.Tsy afaka mivarotra eny amin'ny Tsena petite vitesse intsony moa izy ireo raha ny filazany satria manao barazy be eny ny mpitandro filaminana; lany ny fotoana mivezivezy sy manoratra anarana kanefa tsy hita popoka izay fanampiana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.