Sosialy

Fizarana fanampiana ho an`ny traboina Aleo tratra aoriana toy izay tsy misy …


  • Talata 04 Febroary 2020

Tonga any amin`ny faritra Alaotra Mangoro ny fanampiana avy amin`ny fitondram-panjakana ho an`ireo traboina 2 500 ka tonga nizara izany ny filoha Rajoelina mivady omaly.

 

 

Sakafo masaka, menaka, savony, trano lay, kojokoja ilaina amin`ny andavanandro no natolotra ho an`ny traboina. Hijery voalohany ny fitsaboana an`ireo zaza amam-behivavy sy fanampiana ara-tsakafo omena an`ireo tratry ny voina, hoy ny filoha Rajoelina. Nilaza ihany koa izy fa 55 miliara ariary ny vola hatokana hanampiana ireo Malagasy mpiray tanindrazana traboina manerana ny nosy. Ankoatra ny fanampiana ara-bola sy ara-tsakafo dia nahazo fampitaovana ihany koa ireo rava trano fanarenana ireo toeram-ponenana. Raha tsiahivina, anisan`ny tena nitondra faisana tao amin`ny faritra Boeny, Melaky, Sofia ary Alaotra Mangoro. Tokantrano maro no traboina ary fotodrafitrasa maro no samba, indrindra ireo mifandraika amin`ny fifamoivoizana. Tsy maintsy atao ny fomba rehetra, hoy izy, hanarenana faran`izay maika ny fiainana andavanandron`ireo mponina toy ny any Ambatondrazaka, Amparafaravola, Tanambe sy ireo kaominina mivondrona ao amin`ny distrika. Noho ny fahasarotana vokatry ny tsy fahampian`ny toerana izay natao hipetrahan`ny fiaramanidina nitondrana fanampiana dia tsy maintsy nampiasaina ireo fitaovana rehetra eo am-pelatanan`ny fitondrana hanafainganana ireo fanampiana.

Aleo tratra aoriana

Sary mahafinaritra ny fampiasana ny angidimby amin`ny fitaterana ireo fanampiana. Misy ny fandrotsahana izany eny ambonin`ny elikoptera… Eo ihany koa ny fampiasana ny fiaramanidina CASA avy amin`ny Tafika ana habakabaka. Tranga mahafinaratra izany satria hofitsinjovana ny mpiara-belona. Fanontaniana tena mipetraka fotsiny ny hoe fa maninona izao vao manomboka ny fizarana ? Marihana fa omaly 03 febroary vao nanomboka ny fizarana fanampiana manerana ny nosy. Misy fahatarana ihany tao na inona ny fanazavana nomena satria ny 20 janoary lasa teo no nisy ny ranobe. Ilaina anefa ny fifanomezan-tanana amin`ny fotoana hitrangan`ny loza sy aoriany. Mety hoe “aleo tratra aoriana toy izay tsy misy mihitsy” no fomba fiteny ahafahana manasarona izany.

 

Marigny A.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT