Sosialy

Fizarana fanampiana eto Analamanga Adino i Manjakandriana , Andramasina, Ankazobe…


  • Talata 15 Septambra 2020

Manaitra ny fanjakana ireo mponina ao anatin’ireo distrika sasany ato anatin’ny Faritra Analamanga eo anatrehan’ny fizarana fanampiana sy tohana avy amin’ny fanjakana.

 

 

 Ireo distrika vitsivitsy manodidina ihany no voajery, fa adino ny distrika sasany izay tena misy olona sahirana toa an’i Manjakandriana, Andramasina, Ankazobe, Anjozorobe,… hoy ny fitarainana. Samy nasaina nihiboka sy nikatso ny asa fivelomana, ary i Manjakandriana aza dia toerana nahitana trangana covid-19 sy nisiana olona maty mihitsy, hoy ny fanamarihana. Ny any amin’ny toerana tsy nisy coronavirus aza mahazo ny anjarany, ka mba jereo izahay, hoy ny antso avo. Zary lasa miandrandra ity fanampiana hanaovan’ny fanjakana fampisehoana etsy sy eroa ity ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Miharihary anefa, fa tsy ny Malagasy rehetra no misitraka ka misy ny mahatsapa fa atao anjorom-bala, kanefa ny fanampiana sy ny trosa dia amin’ny anaran’ny Malagasy. Tena io tokoa ve anefa no vahaolana mahomby sy maharitra eo anatrehan’ny olana ankehitriny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT