Fivondronamben’ny mpiasa malagasy

“Melohina ny fampiasan-kery, takiana ny fialan’ny governemanta”


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Nanao fanambarana miaraka omaly ireo mpikambana ao amin’ny Fivondronamben’ny mpiasa malagasy

na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana fa manoloana ny fampiasan-kery omban-kerisetra izay atao amin’ny vahoaka malagasy maneho hevitra dia melohin’izy ireo amin’ny heriny manontolo ny fampiasana ny mpitandro filaminana ho lasa herim-pamoretana. Manoloana ny fanambarana nanaitra ny maro nataon’ny filohan’ny antenimieran-doholona dia melohinay koa, hoy izy ireo, ny fandrahonana ho faty natao taminy sy ny fianakaviany mba tsy hanekeny ny handray ny asan’ny filoham-pirenena mpisolo toerana. Voamarina izao fa tena fanonganam-panjakana anatiny na “coup d’Etat institutionnel” ny nanendrena ny governemanta miara-mitantana tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian amin’izao fotoana izao. Ireo fihetsika ireo dia milaza fa fanjakana mafia no miorina eto amintsika sy tiana haorina eto amin’ny firenena. Voamarina ihany koa ny ahiahin’ny be sy ny maro fa fanjakana niorina tamin’ny lainga sy fandikan-dalàna no nisy teto amintsika tato ho ato. Miantso ny mpiasa malagasy izahay mba ho saro-piaro amin’ny maha mpiasa antsika satria tandindonin-doza ny fiainantsika, ny asantsika, ny hoavin’ny taranantsika manoloana ireto mpitondra tsy mendrika ireto! Mpandainga, mpisandoka, mpandika lalàna ireto olona ireto ka miantso ny vahoaka malagasy sy ny mpiasa rehetra mba samy hahatsapa ny hoe “mbola tokony hino sy handray baiko amin’ity fitondrana ity ve isika?”. Ny valiny dia tsia. Mitaky ny fametraham-pialan’ny governemanta izay mitondra amin’izao fotoana izahay, hoy hatrany ny Fivondronamben’ny mpiasa malagasy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT