Fivondronamben’ireo mpiasa Malagasy

Hanajanona ny fampandehan-draharaham-panjakana raha toa ka…


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena dia nanao fanambarana tetsy Mahamasina omaly ny Fivondronan’ireo

mpiasa malagasy maro fa miantso ireo raiamandrenim-pirenena mba hitarika ny fifampidinihana maika isorohana izay mety ho korontana eto amin’ny firenena, hoy ny fampitam-baovao voaray. Tsy maintsy handraisanay mpiasa malagasy anjara, hoy izy ireo, izany fifampidinihana izany. Izahay ihany no fototry ny fanatanterahana izay tapaka amin’izany. Mitaky ny hirosoan’ireo mpisehatra politika sy ny fiarahamonim-pirenena amin’izany fifampidinihana maika izay tarihin’ireo raiamandrenim-pirenena izany mba ho fisorohana izay mety ho korontana eto amin’ny firenena ka mety hanimba indray ny toekarentsika sy ny tontolon’ny asa ary ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Mampahatsiahy izahay fa herivelona lehibe tsy azo tsinontsiniavina eto amin’ny firenena ny mpiasa malagasy ka tsy tokony atao rano dikain’ny zinga hatrany ka voatery hiaritra sy hanatanteraka hatrany ny tsy ara-dalàna sy tsy ara-pahamarinana izay ifanarahan’ny mpanao politika eto amin’ny firenena nefa dia tondroi-molotra hatrany fa tsy mahay ka fototr’izao fahantrana izao. Ny tsy firosoana amin’ny fiaraha-midinika izay andraisan’ny mpiasa malagasy anjara dia midika ho fanaovana tsinontsinona ny hoavinay mpiasa sy fanaovana tsinontsinona ny ain’ny malagasy mpiray tanindrazana. Manome herinandro izahay mpiasa malagasy mba hirosoana amin’izany fifampidinihana izany raha tsy izay dia hajanonay ny fampandehanan-draharaham-panjakana mba hanehoanay fa herivelona mampiaina ity firenena ity izahay ka tokony ho henoina sy tsy ho teriterena, hoy hatrany izy ireo. Tsy amin’ny maha sendika no ijoroanay eto fa tena Fivondronana olompirenena miaina anaty sehatry ny asa izay mahatsapa fa voafetra ihany ny asan’ny sendika manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo, Ratolojanahary Maharavo na Doudou. Marary aminay loatra, hoy izy, ny fanilikilihana ataon’ny fanjakana sy ny mpanao politika anay. Tsy ny sitrapon’ny mpanao politika irery no atao eto. Mpampianatry ny EPP mbola FRAM. Vary iray daba no karamany nefa dia misy mirehareha eto hoe mandroso ity tany ity. Manangana sekoly nefa FRAM no mampianatra ao. Mila manaja ny mpiasa malagasy izay hitondra ity firenena ity raha tiana hilamina ity tany ity. Mety hitokona ny mpiasa raha ny sitrapon’ny mpanao politika foana no atao eto. Fa maninona no rehefa depiote no mitady dia omena izay tadiaviny na rehefa mpikamban’ny governemanta? Ny fangatahanay anefa dia tsotra hoe andao hifampidinika. Olona mila vaniny raha tsy hanaiky an’izany, hoy hatrany izy ireo sady nampiomana fa hanajanona ny fampandehanan-draharaham-panjakana raha tsy misy fifampidinihana.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT