Fiverenan’ny soatoavina malagasy

Manomboka mitombo any anaty fiarahamonina


  • Zoma 05 Desambra 2025

Tovovavy iray vao andeha hivarotra

maraina no nanenjera entana rehefa voadonan’ireo hazo fiantonana akanjo amidy teny an-tsisin’ny lalan’Ambodin’Isotry iny omaly, hoy ny fitantaran’ny nanatri-maso ny zava-niseho. Mpivarotra hani-masaka ilay tovovavy. Very tsy nisy noraisina teo amin’ny arabe ny entana tokony amidiny rehetra. Ontsa azy avokoa, noho izany, ireo nanatri-maso ny zava-niseho ary samy nanome vola hanonerany ny fatiantoka vokatr’ity fahavoazany ity. Nihoatra lavitra noho ny tombom-barotra tokony ho azony indray aza no azon’ilay tovovavy, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso hatrany. Heverina fa isan’ny endriky ny fiverenan’ny soatoavina malagasy miha mivoy any anaty fiarahamonina tsirairay any ny tranga toy itony, hoy ihany ny fanehoan-kevitra voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT