Sosialy

Fiveloman’ny madinika Mitohy ny fiainana


  • Talata 24 Martsa 2020

Mitohy ny fiainana ho an’ireo gasy madinika na dia efa voarara aza hatramin’ny omaly fa tsy misy mahazo mivoaka ny trano intsony ny rehetra ary olona iray ihany no mandeha miantsena. Toy ny isan’andro ihany anefa no hita teny amin’ireo faritra maro eto an-drenivohitra toy ny eny amin’ny 67 ha, ambodin’Isotry, Anosibe….

 

Feno mpivarotra ihany koa ny sisin-dalana, mifanaretsaka sy mitabataba ny olona…. Noho ny fahasahiranana no nambaran’ny mpivarotra iray nanaiky nitafa taminay fa anton’izany.  Ny vola hita anio mantsy hoy izy no miantoka ny sakafo hanina  rahampitso ka tsy mivoaka na  dia eo aza ilay otrik’aretina coronavirus. Ny  famindram-pon’Andriamanitra sisa raha fehezina no hianteheran’izy ireny fa ny ankoatra izay dia tsy misy.  Tsy nihoatra ny 40 % rahateo raha nisy ireo malagasy afaka nanao « provision » nanomboka ny sabotsy teo fa fitsinjovana ilay aretina fa ny ankoatra izay dia mbola miankina amin’ny vola vao hotadiavina avokoa. Nomarihin’ireo mpivarotra hatrany moa fa tsy ny aretina no mety hahafaty azy ireo raha tsy maintsy terena io fijanonana any an-trano io fa ny hanohanana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT