FIVATO

«Tafahoatra ny fandrobàna tanim-bahoaka ao Moramanga!»


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2025

Nidina ifotony tany Moramanga indray ny ekipan'ny Fi-VATO na Fiaraha-mientan’ny

vondron’olona tomponandraikitra, hoy ny fampitàm-baovaon’ny filohan’ity tambazotra ity, Randimbiarison William, ny faran’ny herinandro teo. Na dia mirongatra aza, hoy izy, ny fandrobàna tanim-bahoaka amin’ny faritra maro dia tena tafahoatra ny ao Moramanga. Tanin'ny «Colon» na mpanjanatany efa nohajarian'ny mponina 40 taona mahery no tonga dia tsatohan'ny sasany «borne» na famaritana toerana. Tsy mandalo kaominina sy fokontany akory izany ary lasan'izy ireo hatramin'ny hazo novolen'ireto mpanajary. Mitaraina ny vahoaka maro ao amin’ny kaominina Ambohibary, Moramanga, ary tapakevitra ny hivondrona ato amin’ny Fi-VATO ka hiady ny hamerenana ireo tany maro efa voatsatoka «Borne». Vonona koa ireo fokontany sy kaominina hanambatra ny heriny amin’ny Fi-VATO. Moramanga no isan'ny nahita faisana tamin’ny tolom-panafahana ny firenena nefa 65 taona lazaina fa nahaleontena dia gasy ihany indray no miverina mandova ireo tanin'ny «Colon», izay efa nilaozany ary mangeja sy manao tsindrihazolena ireo gasy mpiray firenena aminy. Tena tsy rariny kosa ka tsy maintsy hijoro isika! Sanatria ve dia mbola hisy "Wagon Moramanga bis" indray? Raiso ny Andraikitra! Andraikitr'aloha vao tombotsoa, hoy hatrany ny Fi-VATO.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT