Sosialy

Fivarotan’olona Dimy ireo nampidirina am-ponja vonjimaika


  • Talata 20 Aogositra 2019

Tranga niseho matetika teto amintsika tato ho ato ny fanaovana olombelona ho entam-barotra.

 

Miseho amin’ny endrika maro izany  izay nahatratra 12 isa tato anatin’ny enim-bolana voalohany, raha araka  ny salan’isa azon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Tsy nitazam-potsiny izy ireo ka olona miisa dimy hatreto no efa nampidirina am-ponja vonjimaika taorian’ny fanadihadiana natao azy ireny. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanentanana sy ny ady maro samihafa nataon’ny polisim-pirenena iadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ireo voasokajy ho  marefo  toy ny zaza amam-behivavy. Ankizy miisa 2.726 no  efa nanaovan’izy ireo fanentanana mikasika ny zony mba hahafahana miaro azy. Lohalaharana tamin’izany ny fampirisihina azy ireo hiantso ny laharana maitso raha misy tranga hafahafa miseho narahin’ny fampahafantarana ny voka-dratsy sy ny voka-tsoa ateraky ny fampiasana tambajotran-tserasera na ny facebook. Manatanteraka atrikasa eny amin’ny efitrano fandraisana fivoriambe eny Ivato nanomboka omaly ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, hifarana anio. Tanjon’izy ireo ny hanatsarana hatrany ny paikady hoenti-miady amin’ireo mpanao ratsy hahafahana mamerina amin’ny laoniny ny filaminam-bahoaka eto amintsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT