Sosialy

Fivarotana zaza varira Voafandriky ny polisy ny lehilahy 3


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Lehilahy miisa 02, sy mpitandro filaminana am-perin’asa 01 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny DRSP Anosy ny 01 novambra lasa teo noho ny fitanana an-keriny sy fivarotana zaza varira.

 Tamin’io alatsinainy io, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva no tonga nanatona ny DRSP Anosy ao Taolagnaro ny tera-tany sinoa iray mba hametraka fitarainana. Nolazain’ity farany fa nisy lehilahy nanatona azy ary nilaza fa manana zaza varira miisa 05 hamidy ka 300.000.000 ariary ny vidin’ny iray. Manoloana izany tranga mamoafady izany dia nandray fepetra avy hatrany ny Polisy ary nanao ny vela-pandrika rehetra entina hisamborana ilay olon-dratsy. Tokony ho tamin’ny 09 ora alina dia nomena fotoana tamina toeram-pisotroana iray tao amin’ny fokontany Amboanato ireo olon-dratsy ka dia tonga tokoa ary dia noraisim-potsiny. Telo lahy no voasambotra tamin’izany ka mpitandro filaminana am-perin’asa ao Ambatofinandrahana ny iray tamin’ireo. Fantatra tamin’ny fanadihadinana moa fa ity farany no nanome ny laharana sy « compte bancaire » handefasan’ilay tera-tany sinoa ny vola vidin’ireo zaza ireo. Mbola mitohy ny fanadihadiana.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT