Sosialy

Fivarotana vy Mamelona ankohonana maro, 700 Ar ny kilao


  • Talata 02 Novambra 2021

Anisan’ny asa iray tsy mitsahatra ny mahazo vahana ny asa fivarotana vy eto an-drenivohitra. Mamelona ankohonana maro izy io,

 akora fototra karohina hatrany anaty tany sy any anaty fako, hamidy 700 Ar ny iray kilao. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina ankohonana iray mivelona amin’ity asa ity dia olona 4 mianaka izy ireo no mandeha mivoaka ny trano mba hikaroka vy isan’andro. Miezaka ny mahazo 1 kg isan’olona izy ireo hividianana ny sakafo hanina isan’andro ka misy eny amin’ny fako no mikaroka izany, misy miady lavaka mihitsy mba ahitana vy ankoatra ireo mandehandeha mitety tanana mijery ireo karazam-by tsy ilain’ny olona intsony toy ny lavarangana vy simba….Misy mandray foana ny vy isan’andro raha ny fantatra. Havadik’ireo mpanam-bola ho lasa vy fanamboarana trano indray mantsy izy ireny avy eo rehefa avy arendrika. Tsy mitsaha-mitombo rahateo ireo mpanamboatra trano eto amintsika na dia sarotra aza ny fiainana. Na izany aza anisan’ny lafy ratsin’ity asa fivarotana vy ity kosa ny fihitaran’ny sain’ireo olona mpitady izany amin’ny ratsy. Maro amin’ireo karazana foto-drafitrasa vita amin’ny vy eto amintsika mantsy no misy sahy manendaka mihitsy raha tsy lazaina intsony ny vy amin’ny varavaram-pasana, ny paompin-drano….tranga izay hita sy misy hatrany amin’ny faritra.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT