Sosialy

Fivarotana eo amin’ny EPP Soarano Naato ny fifanarahana tamin’ny sinoa


  • Zoma 15 Jona 2018

Efa tapitra tamin’ny taona 2016 ny fifanarahana tamin’ny sinoa nampiasa sy mitantana ny toeram-pivarotana eo amin’ny EPP Soarano, izay hiadidian’ny Kaominina Antananarivo (CUA).

 Nandray fanapahan-kevitra ny CUA sy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, momba ny fitantanana ilay toeram-pivarotana, fa haato ny fifanarahana natao tamin’io Sinoa io. Nambaran’ny filoha Lefitra faharoan’ny Ben’ny tanànan‘Antananarivo, Andriamorasata Julien, manoloana ireo fitarainana maro voaray, fa manomboka izao dia ny Vaomiera iraisan’ny 2 tonta miaraka amin’ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny Epp Soarano  no hisahana ny fitantanana. Hisy, araka izany, ny “Appel à manifestation d’intérêt” (AMI), hisokatra ho an’ny rehetra izay liana amin’ny fitantanana indray io tsenam-barotra ao amin’ny EPP Soarano io, araka ny fanampim-panazavana nataon’ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriamorasata Julien hatrany.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT