FIVAPOVA ANALAMANGA

Nizara arendrina sy lamba firakotra ho an'ireo sahirana


  • Alarobia 25 Jona 2025

Nizara fanomezana ho an’ireo olona tsy manan-kialofana eny an-dalambe ny

FIVAPOVA ANALAMANGA ny alin'ny 23 Jona teo. Lamba firakotra sy arendrina no natolony tamin'izany noho ny fahatongavan'ny Fetin'ny 26 Jona. Nitatika izany ny vadin’ny Minisitrin’ny Filaminam-bahoaka sady Filoham-boninahitry ny FIVAPOVA. Nandray anjara feno tamin’ity tolo-tanana ho an’ny mpiara-belona ity koa ireo mpandrindra nasioanin’ny FIVAPOVA sy ireo vehivavy tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka. Tsy mijanona amin’ny fanomezana ho an’ireo tsy manan-kialofana tahaka izao ihany moa ny asa sosialy ataon’ny FIVAPOVA fa mamangy ireo voafonja sy manapy ireo zaza kamboty koa. Sahirana sy tsy manan-kialofana am-polony no nisitraka izany toy ny tao ambany tonelina Analakely, ny tetsy Ambohijatovo, ireo matory eo amin'ny tobim-piantsonan'ny taxibe Anosy sy Ampefiloha izay marihina fa zaza amam-behivavy ny ankamaroany.
Pati
Légende : Nandritra ny fizarana ny fanampiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT