Sosialy

Fivangongoana eto an-drenivohitra Tsy hampandroso mihitsy ny toekarena


  • Zoma 26 Oktobra 2018

Marobe ny olona manorim-ponenana eto an-drenivohitra noho ny antony fitadiavana. Mahazo tombony kokoa mantsy ny olona tafapetraka eto amin’ny fitadiavana asa noho ny any ambanivohitra.

 

 Ny ankamaroan’ny Malagasy anefa dia tantsaha mivelona amin’ny fambolena ka rehefa hitany ho tsy mahavelona izany dia mitsoaka miakatra izy. Rehefa izay dia mihena ny famokarana ary miditra amin’ny sehatra saika tsy ara-dalàna avokoa izy ireo rehefa tafakatra an-tanàn-dehibe. Tsy mahasalama ny toekarena anefa izany ary antony mahalafo ny tany aty an-drenivohitra raha mihoatra ny any ambanivohitra. Sahirana hatrany ny olona ny amin’ny fividianana na ny fikarakarana ny taratasy. Nanome vahaolana ny orinasa IVANA izay misehatra ny famarotana tany sy trano efa vonona tetsy amin’ny trano Jean Laborde Andohalo omaly alakamisy 25 oktobra. Tanjona ny fanalana ny ahiahin’ny olona izay mba manana tetikasa amin’ny fananganana ny tranony. Tanterahin’ity orinasa ity avokoa na ny vinavinan’ny tetikasa tian’ny tsirairay atao na ny fandraisana an-tanana ny fahazoan-dalana sy ireo taratasy maro samihafa ilaina amin’ny fananangana trano. Nampahafantariny ny fisian’ny tetikasa “Arahaba Soa” hananganana trano villa miisa 12 eny Ambohitrarahaba. 8Km monja miala amin’ny renivohitra ary tena manome lanja ihany koa ny tontolo ambanivohitra ny toerana. Tanjona ny hampandrosoana ara-toekarena ny faritra lavidavitra an’Antananarivo sahala amin’itony, hoy ireo tompon’andraikitra ary tsy voatery hitangorona an-drenivohitra ny olona raha te hampandroso ny firenena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT