Sosialy

Fivalanan-drano Azo havadika ho angovo hanampiana ny herinaratra


  • Alatsinainy 01 Aprily 2019

Efa azo havadika ho angovo azo havaozina entina hanampiana ny famatsiana herinaratra eto amintsika ny fivalanan-drano na ny pipy ankehitriny.

 

 Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia mbola vao ny 40 %-n’ny Malagasy mahery no voavatsin’ny orinasa jirama herinaratra eto amintsika ka ireo renivohi-paritany no lohalaharana amin’izany. Nahitana vahaolana mifandraika amin’izany ireo mpianatry ny sekoly ambony ISPM eny Antsobolo taona fahatelo raha tao amin’ny taona faharoa no nanaovan’izy ireo ny fikarohana. Vonona izy ireo ny hiara-kiasa amin’ireo karazana orinasa hifanohana aminy ho fanampiana ny mpiray tanindrazana. Tsiahivina moa fa namoaka mpianatra 400 latsaka indray ity sekoly ambony iray ity, andro vitsy lasa izay. Misalotra ny anarana Mahatsangy izy ireo, notolorana ny mari-pahaizana licence, nahavita fianaran’asa teny anivon’ny orinasa avokoa. Raha araka ny fanazavan-dRazafindrahety Aimée, tompon’andraikitra ara-bola eo anivon’ity sekoly ambony iray ity moa dia misy amin’ireo ankizy mpianatra ireo no efa  miasa raha misy ihany koa ireo mbola hanohy ny fianarany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT