FITSOAHANA HOFANTRANON’OLONA

Tafakatra 18 isam-bolana ny fitarainana voarain’ny Fokontany


  • Talata 02 Jolay 2024

Mihasahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Isaky ny faran’ny volana fiandohan’ny

volana tahaka izao no tena ahitana taratra izany noho ireo karazana trosa tsy maintsy hefaina. Anisan’ireny ny vidin-jiron’ny JIRAMA, ny hofantran’olona….Ho an’ity farany manokana dia fantatra fa mitombo isan’andro ny fitarainana voarain’ny Fokontany. Saika efa mitady fika tsy handoavana izany avokoa mantsy ireo mpanofa trano izay efa mahatratra 3 volana ny an’ny sasany. Misy ireo mody mibata entana dia lasa ary milaza fa handefa MVola kinanjo any dia manjavona, raha ny fanadihadiana natao. Misy indray ireo miandry ny mpiray tanana hatory amin’ny alina, indrindra fa ny tompon-trano ka raha vantany vao tena mangina ny tanana dia mibata entana an-tsokosoko. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina sefom-pokontany iray teny Andranonahoatra Itaosy teny dia mahatratra 18 isam-bolana raha kely ny fitarainana voarain’izy ireo mahakasika izany, ankoatra ny adin’ny mpivady izay efa tena mandrera-tsaina ihany koa. Ankoatra ny fifamonoana mantsy dia mampitaraina sy tsy ahitan’ny mpiray tanana torimaso koa ihany koa ny teny ratsy tsy fihainon’ny olom-pady hataon’izy ireny izay zary asa goavana ho an’ireo sefom-pokontany.
Pati
Legende : Misy ireo mitaona entana tahaka izao dia milaza handefa Mvola kinanjo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT