Sosialy

Fitsoahana an-tsokosoko an’i Gasikara Mpitsoa-ponenana 52 naverin’ny Kaomorianina


  • Alakamisy 17 Febroary 2022

Mpitsoa-ponenana teratany Malagasy miisa 52 no naverin’ny manampahefana Kaomorianina aty Madagasikara, rehefa tratra tany amin’ny moron’i Mohéli ny fiandohan’ity volana febroary.

Nikasa hihazo ny nosy Mayotte ireo, araka ny voalazan’ny fampahalalam-baovao Kaomorianina. Kaomorianina miisa 34 no hita niaraka tamin’izy ireo. Voatery nitady sambo natao « réquisition » nandefasana ireo Malagasy, niazo an’i Mahajanga ny fanjakana kaomorianina ny alahady lasa teo, taorian’ny fanagiazana ireo olona ireo tao amin’ny seranantsambon’i Mutsamidu. Mihazakazaka ny fifindra-monina antsokosoko ataon’ny Malagasy, ary misy 23 hafa ihany koa voalaza fa hita tany an-toerana, ao amin’ny Hotely ao Anjouan, ary ny Fanjakana Kaomorianina no miantoka ny hotely sy ny fijanonany any an-toerana. Mitohy hatrany izany ny fivoahana an-tsokosoko na efa maro aza ny tratra, tao ny maty teny an-dranomasina ny sambo ka olona maro no matin’ny hanohanana. Ny volana septambra 2021 mpandeha antsokosoko 53 tamin’ny 120 tratra tany Mayotte ihany koa no teratany Malagasy. Nalefa fiaramanidina manokana narahina polisy mpiaro ny sisin-tany mihitsy nampodiana azy ireo teto Madagasikara. Mibanaka hatrany izany ny sisin-tanintsika, fa eo ihany koa ny hoe: mahantra tanteraka ny firenena ka misy ireo te hitady làlana hitadiavana fiainana sy fitadiavana mora kokoa, saingy zavatra hafa no miandry noho ny tsy fanarahan-dàlana ankoatra ny aina tandindonin-doza.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT