Matetika amin’ny vaninandro fety tahaka ny hoe krismasy, faran’ny taona, Paska, Pentekosta izay mampitombo ny fifamoivoizana no manao ilay fitsirihana
ny tahan’ny alikaola amin’ireo mpamily ny ministeran’ny fitaterana sy ny mpitandro filaminana amin’ny alalan’ny ATT sy ny CIR.Tsy dia hita kosa mba tsy ilazana hoe tsy misy mihitsy izany amin’ny andavanandro; io iaraha-mahita isan’andro io anefa ny lozam-pifamoivoizana etsy sy eroa ary tena mampitondra takaitra ny mahafaty mihitsy.Maro amin’ireo mpandeha no mihevitra hoe inona moa no antony tsy hanatanterahana ny “alcootest” amin’ny mpamily isan’andro, ireo fiara fitateram-bahoaka, ny fiara be mpitatitra entana, ireo fiara mivezivezy amin’ny alina.Azo antoka fa manana ny paikadiny sy ny fandaminany ny asany ny ao amin’ny ministeran’ny fitaterana sy ny mpitandro filaminana , ary izy ireo no mahafantatra ireo mpamily mmampiahiahy ka atao fitsirihana avy hatrany.Azo antoka fa efa hampihena sahady ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana, na an-tanan-dehibe io, na amin’ny lalam-pirenena ny fahafantaran’ireo mpamily fa sy maintsy misy ny fitsirihana ny tahan’ny alikaola, ka izay mihoatra ny fetra ekena dia tsy maintsy voasazy.Mba tompon’andriakitra kokoa amin’izay ireo mpitondra fiara dia tafapetraka ho azy ny fanajana ny lalàna.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.