Fitsinjovana ny

vahoakan’Ambatolampy Ambohimarina


  • Alatsinainy 02 Martsa 2026

Nonolotra ny làlana 1km vita niampy

lampadaire » i depiote Todisoa
Mitohy ny asa sosialin’ny Depiote Todisoa Andriamampandry, solombavambahoaka mampifandray ny andraikiny ara-politika amin’ny asa sosialy mivantana ho an’ny vahoaka. Tao Ambatolampy Ambohimanarina, lalana mirefy eo amin’ny 1km indray no nataony sy natolotra ny vahoaka, izay nanala ny fotaka sy rano niainan’ny mponina taloha. Tsy vitan’izany fa nanolotra jiro na « lampadaire » ihany koa izy mba hanazava ny lalana, ka niteraka hafaliana sy fahatsapana ho an’ny mponina, fa manana Raiamandreny mpiahy. Nampahatsiahy izy fa ilaina ny fikojakojana ny fotodrafitrasa efa vita, satria ny tombontsoa iombonana dia mitaky fandraisana andraikitra avy amin’ny rehetra. Tsy vao sambany amin’ireo fotodrafitrasa ara-tsosialy nataony ho an’ny vahoaka ao anatin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo io. Betsaka ireo asa manome lanja hatrany ny tantsaha, tanora, zokiolona,… toy ny fanohanana ny tantsaha amin’ny alalan’ny fanampiana sy tohana ara-teknika, fanajariana lakan-drano, fanohanana ny tanora amin’ny alalan’ireo hetsika ara-panatanjahantena sy fanofanana samihafa tahaka ny teny vahiny, mba hampivelatra ny fahaiza-manao,... Maneho hatrany an’ilay teniny hoe: «Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy». Ny asa maha solombavambahoaka dia tsy nofereny amin’ny fanaovana lalàna sy fandraisana fanapahan-kevitra ao amin’ny Antenimierampirenena ihany, fa arahiny firotsahana mivantana amin’ny fiainam-bahoaka amin’ny alalan’ny asa sosialy. Asa mba manao ahoana ny hafa ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT