Sosialy

Fitsinjovana ny mpiasa tra-doza arak’asa Nametraka “ambulance” miisa 7 ny CNaPS


  • Alarobia 08 Desambra 2021

Naseho ofisialy omaly 07 desambra 2021 tetsy amin’ny Foiben’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale)

Ampefiloha ny fiara fitondrana marary na « Ambulance » miisa 7. Hisitraka maimaimpoana izany ireo mpiasa nahavita filazan-karama sy nahaloa latsakemboka ara-dalàna, raha sanatria tratry ny loza arak’asa na « accident de travail ». “Tsy mitovy intsony ny manana CNaPS sy ny tsy manana CNaPS, ary ny miditra anaty CNaPS ka mandoa latsakemboka ara-dalàna sy ny miditra fa tsy tena ara-dalàna”, hoy ny Talen’ny Seraseran’ny CNaPS Atoa Alain Ratsimbaharison. Mahatrantra 6 hatramin’ny 7 isan’andro eo ny loza am-perin’asa mety hilàna fiara raha ho an’Antananarivo, ankoatra ny tsy manao filazana. Efa “médicalisé” ireo fiara, ahafahana manao ny fitsaboana vonjy aina maika na “premier soin”. 565 ny laharana antsoina, dia tonga, ary misy tobim-pahasalamana lehibe na hopitaly eto Antananarivo manao fifanarahana amin’ny CNaPS. Teo aloha raha tra-doza ara-kasa dia hoe: miala vola vao mangataka fanonerana (remboursement), mbola ela vao tonga, fa amin’izao efa mihatsara, tonga dia raisina an-tànana, hoy Atoa Alain Ratsimbaharison. Misy fetrany hatramin’ny jona 2022 anefa io fisitrahana maimaimpoana io. Antony, ny tanjona tsy hoe hampiasa « ambulance » 7 isan’andro, fa ny fametrahana rafitra sy fepetra any amin’ny orinasa sy toeram-piasana tsy hisian’ny loza, ahazoana ny “Label SST” (Santé, Social et Travail). Manomboka ny jolay 2022, izay orinasa tsy mametraka izay « Label SST » izay dia lasa mandoa vola izy fa tsy mahazo maimaimpoana ny ambulance,... Rehefa mipetraka io “Label SST” io, akoatra ny « certificat » sy ny « trophée » dia hisy ny fanampiana ara-bola omena ny orinasa ahafahana mametraka ny fenitra fisorohana ny loza. 24 ireo orinasa efa nahazo io « Label SST » io omaly. Misy dingana 3 izy arakaraka ny haavon’ny fenitra, ka ny voalohany no vitan’izy ireo, nahazoana ny “Label Fehizoro”, 6 kosa no nahavita ny dingana fahatelo nahazo ny “Label Mendrika”, ary ny fahatelo dia “Label Raitra”, izay mafimafy kokoa ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. 40 ny orinasa efa naneho ny fahavonany hiditra amin’io Label SST io ho an’ny omaly.
Toky R
Légende : Nandritra ny fanehoana ireo fiara fitondrana marary omaly tetsy amin’ny CNaPS Ampefiloha
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT