Sosialy

Fitsinjovana ireo Zokiolona Hatsaraina, haparitaka ny fizarana «pension »


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Hatsaraina ny fomba fizarana ny vola fisotroan-dronono eto amintsika manomboka izao raha araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana nandritra ny fitsidihany ifotony nataony teny amin’ny « Perception Principale Avaradrano ».

 

 

Hanomboka amin’ny volana septambra ho avy io izany. Anisan’ny fanavaozana entiny ny fampandrosoana ho herinandro mialoha ny fotoana fizarana izany ary haharitra 2 herinandro ihany koa ny fitsinjarana. Manana vinavina ny hametraka masoivoho eny amin’ny manodidina an’Antananarivo ihany koa izy ireo toa ny eny Itaosy, Alasora, Sabotsy Namehana, Ambanintsena, … ialana amin’ny fandehanan’ireo zokiolona amin’ny toerana lavitra handeha haka ny volany. Hifampiraharaha amin’ireo banky sy sehatra voakasik’izany izy ireo hahafahana manamora ny fizarana ny fisotroan-dronono. Hisy ihany koa atsy ho atsy raha ny vinavina ny fandoavana ny fisotroan-dronono amin’ny alalan’ny mobile money.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT