Sosialy

Fitsinjarana ny Vatsy Tsinjo Mpilatsaka an-tsitrapo 500 hikarama 10 000 isan’andro


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Mpilatsaka an-tsitrapo miisa 500 eo no manomana ireo « Vatsy Tsinjo » fanampiana omen’ny fitondram-panjakana ho an’ireo fianakaviana marefo sy sahirana mandritra izao fihibohana izao.

 

 

Tonga nijery ny fanomanana ireo vatsy sy nankahery ireto tsara sitrapo ireto teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny Filoham-pirenena, omaly. Nankasitraka manokana azy ireo ny Filoha Andry Rajoelina noho ny fandavan-tenan’izy ireo ho an’ny mpiray tanindrazana aminy. Ho tambin’ny hasasaran’izy ireo dia tolorana vola iray alina ariary isan’andro ireto mpilatsaka an-tsitrapo ireto. Nambaran’ny Filoham-pirenena ihany koa fa efa miara-miasa akaiky amin’ireo tompon’andraikitra isam-pokontany ny fitondram-panjakana mba hahazo ny anjarany avokoa ireo nisoratra anarana teny amin’ny fokontany. Vary, voamaina, sira sy siramamy, menaka, koba aina ary savony no hita ao anatin’ity Vatsy Tsinjo ity. Vatsy miisa eo amin’ny 12 000 eo no voaomana ankehitriny ary mbola ho ampitomboina avo roa heny izany ary hohafainganina ny fanaterana azy isan-tokantrano mba ahazo ny anjarany avokoa ireo tena marefo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT