Sosialy

Fitsinjarana ny Tosika fameno Fitarainana miisa 5101 no voaray


  • Alakamisy 14 Mey 2020

Lasa miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina tato ho ato ilay resaka Tosika Fameno, hanomezan’ny Fitondram-panjakana ilay lela-vola 100.000 Ar ho an’ireo fianakaviana tena marefo manerana ireo faritra lasibatry ny

 

 

 

 

 

fihibohana vokatry ny fiparitahan’ny coronavirus. Ny fitarainana sy ny fimenomenomana no tena betsaka. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia mahatratra 5.101 isa nanomboka tamin’ny 25 Aprily ka hatramin’ny 08 May teo ny fitarainana voarain’ny FID izay mpandrindra izany. Toerana maro no nahitana olana toy ny teny Anosibe Mandrangobato II izay olona vitsiana no nahazo izany ary efa nanaovan’ny FID lisitra vaovao mihitsy. Toraka izany koa ny tany Toamasina…Nomarihin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny FID moa fa anisan’ny olana mahatonga ny tsy fahazoan’ireo olona sasany vola matetika ny lainga hataony. Misy amin’izy ireny mantsy no milaza tsy miasa rehefa hanontaniana nefa manana antom-pivelomana ara-dalana.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT