Sosialy

Fitsinjarana fanampiana Misy hatrany ireo manararaotra


  • Alarobia 06 Mey 2020

Nitarika krizy ara-tsosialy ho an` ny besinimaro ny fisian` ny valanaretina COVID-19. Saika marefo ara-pahasalamana ny ankamaroan` ny mponina noho ny tsy fahampian-tsakafo sy noho ny fahaverezana asa.

 

 

 

 

Raha ny zavatra hita nandritra ireo 15 andro in-telo nisesy nametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana dia ny teo anivon` ny fitsinjarana ireo fanampiana no naharaisana fitarainana maro noho ny fanararaotana raha ny nambaran` i Rivo Rakotovao, filohan` ny Antenimierandoholona. “Midera ny ezaka natao nandritra ity fametrahana ara-pahasalamana ity saingy tsy tonga lafatra akory. Ao amin`ny lafiny ara-tsosialy no be adihevitra. Iaraha mahita fa misy ny fanakorontanana sy ny fimenomenona. Midika izany fa misy ny tokony harenina.  Ny olona mimenomenona dia tsy midika hoe tsy tia firenena fa te hanana ny tsara izy. Misy koa no ratsy fanao toy ny mangalatra, manodikodina ny fanampiana nomen`ny fanjakana. Misy koa no mandrakotra izany ho resaka politika.” Namafisiny hatrany fa izany no antom-pisian` ny fifampiresahana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT