Sosialy

Fitsarana tany Fianarantsoa Mbola tsy tonga indray ilay voapanga ho nanolan-jaza


  • Alarobia 17 Jona 2020

Nandeha omaly ny fitsaràna ny raharaha fanolanan-jaza naha voapanga Chef zap rehefa nakarina tao amin'ny fampanoavana na « Cour d'appel », ao Fianarantsoa. Raha ny vaovao voaray dia tsy tonga indray na ny voampanga na ny mpisolo vava azy.

 

 

 

 Tokony nandeha ny 21 aprily ka nahemotra ny 19 may, saingy izao vao tontosa ny fitsaràna, raha ny fampitam-baovao hatrany. Tsy namaly ny antso natao azy mihitsy ilay tompon'andraikitry ny fampianarana voalaza fa nanolana zanaka mpampianatra, tany amin'ny faritr'i Vatovavy Fitovinany. Nangataka onitra 8 tapitrisa ariary ary nitaky ny hanasaziana io nanolana an-janany io, noho izany, ilay renim-pianakaviana izay mpampianatra ihany koa. Ho fantatra amin'ny 21 jolay izao ny didy havoakan'ity rafim-pitsarana voalaza teo ity, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT