Sosialy

Fitsarana miaramila Maro ireo tanora namaly ny antso saingy…


  • Talata 15 Desambra 2020

Araka ny fampitam-baovao avy amin` ny Tafika Malagasy, dia omaly no andro

 

 

 

voalohany amin` ny fitsarana miaramila taorian` ireo fanovana rafitra maro samihafa. Fiovana lehibe no nisy tamin` ity taona ity satria voakasiky ny fitsarana miaramila ihany koa ny vehivavy raha toa ka ny lehilahy foana no notsaraina hatramin` izay. Maro ireo tanora, 19 hatramin` ny 31 taona, no namaly ny antso nandritra ny andro voalohany. Raha ny teny amin` ny boriborintany Tana –IV, raha tamin` ny 8 ora ny fotoana dia efa nisy ireo efa niandry laharana nanomboka tamin'ny 5 ora maraina. Tany Epp Amparabonga Ambatondrazaka dia 40 ny tovovavy ary 110 ny tovolahy,no notsaraina omaly. Maro tamin'izy ireo no vonona hanao miaramila raha voaantso. Nisy kosa no nilaza fa tsy mazoto amin` izany fa hikarakarana dosie fotsiny. Nitaintaina ny ankamaroany mialoha ny fitsarana, ary mbola hitohy anio izany hetsika izany. Tsikaritra kosa fa tsy ampy fanazavana sy fanentanana ilay fitsarana miaramila. Maro no nieritreritra fa ahazoana asa avy hatrany izany, toy ny tany Mahajanga. Raha tsiahivina, homena karatra maitso izy ireo ary ireo izay nambara fa mendrika dia asaina hanao raharaha miaramila mandritra ny 2 taona.

 

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT