Sosialy

Fitsarana Anosy Tsy misy déferrement intsony isaky ny sabotsy


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Nofoanana ny fampakarana fampanoavana ireo olona manan-draharaha entin’ny mpitandro ny filaminana eny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eny Anosy rehefa, sabotsy faran’ny herinandro.

 

 

 

Raha araka ny fantatra mantsy dia natokana ho fotoana hamendrahana ranom-panafody ity biraom-panjakana ity io andro io manomboka izao hahafahana miady amin’ny tsimokaretina coronavirus. Tsy azo hatao indray mandeha monja izany raha ny fantatra fa hatao matetika. Tsy azo antoka mantsy ny tsy hisian’ny valan’aretina mety hiparitaka raha vao misy olona mifamezivezy matetika. Ny fikambanana Croix rouge Malagasy no hanatanteraka ny asa mandritra izany. Raha araka ny fanazavana azo hatrany moa dia hisy ny fandaminana havoakan’ny tompon’andraikitra aorian’ny 29 jona ho avy izao, mikasika ity fanovana tsy maintsy hapetraka ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT