Sosialy

Fitsarana Anosy Ireo mpivady tanora no tena maro misaraka


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Vitsiana sisa ireo tokantrano tena miaina fiainam-panambadiana milamina eto amintsika.

Ny ankoatra izay dia zara fa manambady fotsiny ihany ary te-hivoaka raha vantany vao misy olana, indrindra fa ireo eo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 30 taona. Raha araka ny tatitra nataon’ny Fitsarana etsy Anosy mantsy dia mahatratra 60 isan’andro ny fangatahaa fisaraham-panambadiana voarain’izy ireo amin’izao. Raha araka ny vaovao voaray hatrany dia ny fanambadiana mialoha loatra sy ny fanambadiana tsinahy na maimaika toy ny hoe : bevohoka razazavavy dia voatery fotsiny ihany razazalahy no anisan’ny antony mahatonga io fangatahana fisaraham-panambadiana io. Fa ankoatra ireo dia fantatra fa anisan’ny mampisaraka ireo mpivady ihany koa ny herisetra ao an-tokantrano sy ny fampirafesana. Tokony hisaina tsara fa tsy ho maimaika hiditra ao anaty fanambadiana araka izany ny tanora raha mbola tsy tena vonona tsara. Ny fanambadiana mantsy dia lalan-tokana tsy azo hiverenana mandrakizay eo amin’ny fiainana ary tokony ho fitiavana irery ihany no manosika ny roa tonta hiditra ao anatin’izany.
Pati
Legende : 60 isan’andro ny antontan-taratasy fangatahana fisaraham-panambadiana voaray etsy amin’ny fitsarana Anosy.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT