Aina solon’ny aina. Miverina amin’ny lalàna tranainy indrindra ny Malagasy. Tsy mahatohitra ny fitsaram-bahoaka ny mpitandro filaminana. Ireto farany indray no ifatraran’ny haterezan’ny mponina. Lehilahy iray 24 taona no maty tsy tra-drano nataon’ny mponin’i Papango.
Niakatra fampanoavana omaly ireo lohandohan’ny mpisorona. Taorian'ny nahitana ny fatina vehivavy iray tao anaty honahona tao an-tanànan'i Papango ao Ikongo ny alakamisy 21 martsa teo, nisy ny fisavana trano nataon'ny fokonolona teo an-toerana. Tamin'izay indrindra no nisy lehilahy iray antsoina hoe : “Nirina” nilefa nandositra vao nahita ireo fokonolona. Raikitra ny fifanenjehana ary vao tratran'ny fokonolona ity lehilahy ity dia nofirain'izy ireo ny antsy ka maty. Nanao izay ho afany ihany ny polisy kanefa be no ho vitsy ka tsy nahavonjy azy. Nisy olona roa voasambotra ahiana nitarika izao fitsaram-bahoaka izao. Nikasa ny mbola haka ireo voatazona tao amin'ny biraon'ny polisy indray anefa ny fokonolona fa tsy nanaiky ny polisy. Nisy ny fifanazavan-dresaka natao niaraka tamin'ireo Ampanjaka teo an-tanàna ka nihemotra tamin'ny hevi-dratsiny ireo fokonolona. Nizotra araka ny tokony ho izy ny famotorana, ary efa natolotra ny fampanoavana omaly alatsinainy 25 martsa ny raharaha miaraka amin'ireo olona efatra voakasika. Efa milamina ny toe-draharaha ankehitriny ao Ikongo. Anisan’ny firenena nanao sonia ny fanajana ny zon’olombelona i Madagasikara, indrindra ny tsy fanekena ny ho fanamelohana ho faty ka mitodika amin’ireo tompon’andraikitra mahefa manoloana izao fitsaram-bahoaka izao ny mpanara-baovao.Ny kolikoly izay mahavotsotra ny mpanao ratsy sy ny valifaty mantsy no mahatonga ireo fokonolona manatanteraka ny fitsaram-bahoaka.Fanehoana fahasosorana na fahatezerana ny fitsaram-bahoaka amin’ny ankapobeny ka miseho amin’ny alalan’ny fikasihan-tanana sy famonoana ho faty mihitsy aza na koa fanapotehana fanana tahaka ny nanjo ny biraon’ny Jirama Antalaha ny herinandro lasa teo.Manomboka miha mahazo laka amina faritra maro indray ny fitsaram-bahoaka tato ho ato izay raha toa ka efa tonitony izy io teo aloha teo.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.