Sosialy

Fitsaboana tradisionela malagasy Manana fitaovana fanorana ireo tapaka lalan-dra


  • Alatsinainy 15 Jona 2020

Betsaka ireo olona liana amin’ny fitsaboana nentim-paharazana eto amintsika. Ankoatra ireo olom-boafidy, mpitondra fivavahana….

 

 

 

 

 tonga nanatona ny FI.TRA.MA etsy amin’ny foibeny etsy amin’ny 67 ha dia maro ihany koa ireo any amin’ny faritra no efa miantso sy mangetaheta izany.

TOAMASINA SY MAHAJANGA

Ho an’i Toamasina sy Mahajanga manokana dia efa niainga tamin’ny faran’ny herinandro teo ny zava-maniry naodina ho fanafody vokarin’ny FI.TRA.MA naparitaka any an-toerana, raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina, filohany. Raha tsiahivina dia eau florale fa tsy tambavy izy io kalitao faharoan’ny huille essentielle, andrahoina amin’ny alalan’ireo milina goavam-be manara-penitra any Farafangana izay toerana amina ha maro ahitana ireo karazan-java-maniry izay vokarin’izy ireo ihany koa. Ankoatra ireo olona manana olana ara-pahasalamana dia efa nalefa any an-toerana ihany koa ireo karazana milina fanorana ho an’ireo olona tapaka lalana-dra na tratry ny AVC , izay hiaka farany ary nafarana avy any Sina raha toraka izany ihany koa ilay vokatra vaovao kely mavitrika natokana ho an’ireo lehilahy manana olana amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo…

MAMPIVONDRONA IREO MPITSABO NENTIM-PAHARAZANA

Raha tsiahivina dia fikambanana mampivondrona ireo mpitsabo nentim-paharazana ny FI.TRA.MA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy. Samy manana ny fahaiza-manaony sy ny traikefany avokoa izy ireny saingy nohatsaraina sy nampiroboroboana kosa. Tanjon’ireo ekipa rehetra mivondrona ao anatiny ny hikarakara ny fahasalaman’ny mpiara-belona ao anatin’ilay teny filamatr’izy ireo manao hoe : Ny fahasalamanao no fifalianay. Manana taratasy ara-dalana ny FITRAMA raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina. Manana patanty izy, manana NIF sy statistika ihany koa. Roso hatrany ny dian’izy ireo araka izany raha anisan’ny tanjona lehibe hotratrariny aorian’ny fihibohana ny hanaparitahana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy amin’ny any ivelany ka anisan’ireny ny fampahafantarana ireo karazam-bokatra vita avy amin’ny zava-maniry izay manasitrana aretina maro no sady natoraly tsy misy atahorana.

 

BETSAKA NO EFA NAHAZO TOMBONTSOA

Hatreto dia marobe ireo efa nahazo tombontsoa ara-pahasalamana taorian’izay iray volana sy tapany nijoroan’ny FI.TRA.MA izay. Nisy ireo efa nitomaniana mihitsy saingy sitrana soa aman-tsara raha vantany vao nandray ireo fanafody vita avy amin’ny zava-maniry izay vokarin’izy ireo. Tsy hamidy ny fanafody no sady tsy mivarotra ihany koa ny FI.TRA.MA fa traitement no hataon’ireo marary ao aminy. Toraka izany koa ireo olona tapaka lalan-dra izay efa tsy niteny sy tsy nandeha intsony ny sasany. Afa-po sahady araka izany ny FI.TRA.MA ary mino sy manantena ny fanohanan’ny Fitondram-panjakana azy hahafahana manandratra ny voninahitr’i Madagasikara toy ny nahitana ny vokatra CVO ho enti-manasitrana ny COVID 19 eto amintsika. Ho an’ny FITRAMA manokana moa dia misy ireo mpamokatra sy ny voka-pikarohana izay efa talohan’ny IMRA toy ny HERBOBRA izay izy no manao fenitry ny fanafody ary nandalo ny Institut Pasteur.

Ny laharam-pinday 0348278044 sy ny 0336706008 no hahazoana ny FITRAMA foibe raha ireto manaraka ireto kosa ny any amin’ny faritra :

 

MAEVATANANA : 0344238376 -ANALAVORY : 0340218577 -AMBOHIMANDROSO: 0326711762 -MORAMANGA : 0344368952 -FIANARANTSOA : 0344527596 -MANJAKANDRIANA: 0343756889 -ANKAZOBE : 0344314796 -TSIROANOMANDIDY : 0345805851 -IMERINTSIATOSIKA : 0345805821 -MANAKARA : 0346020886 -ANJIRO : 0341882859 -MORONDAVA : 0347926007 -MIARINARIVO : 0348030864 -MAHITSY : 0342775224 -TOLIARA : 0343135719 -MIANDRIVAZO : 0348417847 -AMBATOLAMPY : 0341782334 -VOHIPENO : 0346340119 -AMBATONDRAZAKA : 0345094202

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT