Sosialy

Fitrosana noho ny vidim-piainana Mampiady mpivady maro rehefa faran’ny volana


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2023

Tsy mijanona eo amin’ny fahasahiranana fotsiny ihany fa miteraka olana goavana eny anivon’ny fiarahamonina ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny.

Lohalaharana amin’ireny ny adin’ny mpivady rehefa handoa trosa isaky ny faran’ny volana. Lasa tsy mahatoky ny vadiny intsony mantsy ilay loham-pianakaviana. Heverin’izy ireny ho ilay vehivavy no tsy mahay mitantana sy mandanilany foana nefa ilay vola hampiasaina mihitsy no tsy ampy intsony. Miakatra avokoa ny vidim-bary sy menaka hany ka tsy tafiditra intsony ny savony. Tsy maintsy hanaovana trosa ity farany noho izany. Tsy voavidy intsony ihany koa ny siramamy sy ny labozia ary ny saribao noho ny fiovaovan’ny vidin-jiron’ny JIRAMA hany ka tsy maintsy hatao trosa ihany koa ireto farany ka rehefa mitambatra dia tafakatra an’aliny maro mihitsy. Ny fanenjehana ny fidiran’ny mpianatra anefa tsy maintsy hatao….Tsy mahazaka izany anefa ilay Raim-pianakaviana rehefa tonga ny fotoana handoavana ilay trosa hany ka tezitra mafy. Misy mifampikasi-tanana mihitsy ny mpivady noho izany. Ny Fokontany hatrany moa no lasibatra rehefa misy tranga tahaka ireny izay tsy maintsy miezaka mampihavana ireo mpivady aloha mba hirindran’ny fiaraha-monina. Rehefa ny mpivady mantsy no miady dia voakorontana hatramin’ireo manodidina azy izay lasa hahazoana fitarainana maro ihany koa amin’izao.

Pati
Legende : Tsy ny vehivavy no tsy mahay mitantana fa ireo vidin’entana mihitsy no midangana !
Entrer
Rakotovao

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT