Mamelà anay hanaitra anao maika mahakasika ny “radioactivité” ao Ranobe izay itrandrahan’ny tetikasa Base Toliara fasimainty ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana mba ahazoana ilménite sy zircon ary rutile,
hoy ny taratasy nalefan’ny CRAAD-OI (Centre de Recherches et d'Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien) sy ny fokonolona miantefa amin’ny filoham-pirenena Rajoelina, izay tompon’ny teny farany amin’ny fitakiana ny fampitsaharana ny tetikasa. Araka izany, ireo fokonolona tandindomin-doza noho ny mety ho fiantraika mamoheha-dozan’ity tetikasa ity aminy dia miandry ny fanambaranao amim-pomba ofisialy ny hanohizana na hampijanonana ny tetikasa satria manohy ny asany am-pianjonanjonana ireo mpitantana azy, hoy izy ireo. Nambaran’izy ireo fa ny fahaverezan’ny tany sy fitaovana hoenti-mivelon’ny mpamboly sy mpiompy ary mpanjono an’aliny ao amin’ny Faritra dia tsy voaonitr’ireo asa lazain’ity orinasa ity fa hoforoniny. Ankoatr’izay, tsy misy fanàfana sy tsy azo hiverenana ny fiantraikan’ny raharaham-pitrandrahana harena ankibon’ny tany eo amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana izay efa amparefoan’ny fikorontanan’ny toetr’andro, na eo aza ny ezaka hoe « hampihenana na hanamaivanan-danja » izany. Ireo kinanga sy loza avy amin’ny taha avon’ny “radioactivité” dia mety hisy fiantraikany amin’ny rivotra, ny rano sy ny tany, havokavoky ny olombelona sy ny an’ny biby mandritra ny fiainana sy fisefoana,… Ny fahafatesan-tsela (nécrose) sy ny aretin’ny havokavoka sy lalan-drivotra ka hatramin’ny homamiadana no mety ho fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny mponina ary kilema hatrany am-bohoka,…. Tsy avy tamin’ny tsaho na fanaratsiana fa avy amin’ny vokatry ny fandinihana ny maha azo tanterahana (Etude de faisabilité) ny tetikasa navoakan’ny orinasa renin’ny Base Toliara tamin'ny 21 martsa 2019 no nivoahan’izany, hoy ny fanazavana. Marihina hatrany fa ny fitondrana tetezamita no nanome fahazoan-dàlana ny Base Toliara, izay Toliara Sands no anarany tany am-boalohany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.