Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana, ny solontenan’ny mponina sy ny zanaky ny faritra, avy any amin’ny faritra atsimo andrefana, izay mipetraka eto an-drenivohitra,
mba hampitsahatra sy hampijanona avy hatrany ny fitrandrahana fasimainty, izay ataon’ny “Base Toliara”, amin’izao fotoana izao. Mba tsy hisian’ny fifandonana sy ny korontana ary ny mba hialana sy hisorohana, ny mety hisian’ny ra mandriaka, dia mangataka ny hanajanonana io fitrandrahana fasimainty ao Toliara io, ireto mponina avy any Atsimo andrefana ireto. Antony maromaro no nambaran’izy ireo, fa tokony hanajanonana izay fitrandrahana izay. Ka anisan’ireny ny mety hisian’ny fisandohana sy ny fisolokiana ataon’ny olon-kafa. Faharoa, simba ny tontolo iainana, izay miteraka tsy fahasalamana ho an’ireo mponina manodidina, indrindra fa ireo zaza mbola minono. Nilaza ny zanaky ny faritra sy ny solontenan’ny mponina ireto fa efa nisy ny hetsika nataon’ny mponina ho fanoherana io fitrandrahana io, volana vitsy lasa izay, ka niteraka fisamborana sy faharatrana ho an’ireo mpanao fihetsiketsehana (ndlr: manohitra ny fitrandrahana). Mba tsy hisian’ny fifandonana sy ny ra mandriaka intsony, dia mangataka amin’ny mpitondra izy ireo, mba hampitsahatra io fitrandrahana fasimainty ao “Base Toliara” io, hoy ny hetahetan’ireo mponina ireo. Nambaran’izy ireo fa samy tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny fisian’io korontana io, na iza na iza, hoy hatrany ireto mponina ireto. Etsy an-kilan’izay anefa manohy ny asany ny orinasa “Base Toliara” ary efa mandefa ireo zanaky ny faritra hianatra sy hiofana any ivelany, misy maharitra 2 taona ny fianarana atao any, ary ireo no hiverina hiasa aty Madagasikara avy eo. Tsy manana eritreritra ny hampiato ny asany mihitsy ny ao amin’ny “Base Toliara” ary manohy ny fampiasam-bola ataony; tena mihenjan-droa ny tady, araka izany.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.